Waydroid : mampiasa Android ao anaty Linux

by | Sabotsy 26 Jolay 2025 | Android, Linux

Efa zatra mampiasa BlueStack moa amin’ny Windows, dia nitady équilavelent GNU/Linux ka sendra an’i Waydroid : ilay conteneur mandefa Android complet amina système GNU/Linux. Mandeha amin’ny architecture rehetra moa izy ity, na ARM, ARM64, x86, X86_64 mety daholo.

Prérequis

  • Wayland – efa nanandrana X11 fa tsy mandeha amin’izay laoniny io
  • Méga – Mavesabesatra ihany ilay image android alaina, mahery ny 1Go

Installation

Amin’ny alalan’ny gestionnaire de paquet fotsiny moa ny install, fa samy manana ny reglages keliny tsirairay avy ireo distributions. Tsara tonga dia ao amin’ny doc officiel sy any amin’ireo wiki an’ny distribution anao no jerena.

Vanilla vs GAPPS

Rehefa maka ilay image Android ianao dia afaka misafidy :

  • Android GAPPS : Android efa modifié par Google, misy ireo service google rehetra : Google Play Store, Google Play Service sns
  • Android Vanilla : Android stock, tsy misy bloat tsy misy service Google

Tandremo ireo APK mila Google Play Service

Alohan’ny hisafidy Vanilla, jereo aloha raha mandeha tsy mila Google Play Service ireo APK ampiasainao. Ohatra ireo jeux synchronisé Google Play Jeux dia tsy maintsy mila GAAPS mazava ho azy. Messenger ihany koa toa mampiasa Google Play Service andefasana ireo notifications.

Lancement

Azonao alefa fotsiny avy eo amin’ny liste d’application i Waydroid.

Tsy mandeha? jereo aloha sao tsy velona ilay service conteneur :

Bash
sudo systemctl status waydroid-container.service
# azo alefa miaraka amin'ny start raha tsy mandeha
# azo activena au démmarage miaraka amin'ny enable raha ilaina
Bash

Google Play Protect : minainaina be ilay izy hoe tsy appareil verifié ity

Mila verifiénao manokana io Android anao io dia tsy manenoneno eo intsony io notification io. Ity no fanaovana azy

Bash
sudo waydroid shell -- sh -c "sqlite3 /data/data/*/*/gservices.db 'select * from main where name = \"android_id\";'"
# Tokony mahazo zavatra hoe Android_id|blablabla ianao
# Dia alefa verifiéna ato ilay blablabla : https://www.google.com/android/uncertified
# Rehefa vita izay dia vonoina aloha
waydroid session stop
# Dia tokony mety amin'izay
Bash

Mode multi fenetres

Afaka alefa misaraka ireo APK fa tsy voatery en mode plein ecran ao anatin’ilay ao anaty Waydroid foana. Ity ny parametre mila ovaina :

Bash
waydroid prop set persist.waydroid.multi_windows true
# Dia vonoina aloha
waydroid session stop
# Dia sokafy amin'izay izay appli tianao ampiasaina.
# Matetika tsy hita intsony ilay Waydroid ao amin'ny menu d'application, jereo fa lasa masqué ilay Waydroid.desktop any amin'ny applications graphiques any
Bash

Fehiny

Rehefa izay, tokony milamina ianao sy i Waydroid. Tsy maintsy misy foana moa ireo APK manondratsondrana tsy mandeha tsara, ohatra ny Moozik ny ahy tsy mety mamaly ny scroll, nefa mandeha ny click. Matetika problème an’ilay APK ireny fa tsy olan’ny Waydroid. Raha hanananao moa ny skills afaka manao deboggage ianao dia mandefa bug repport. Mazotoa ary eh!

3 Comments

  1. Qamardo

    Waydroid container is STOPPED

    Nefa jerena sudo systemctl status waydroid-container.service
    ● waydroid-container.service – Waydroid Container
    Loaded: loaded (/usr/lib/systemd/system/waydroid-container.service; enabled; preset: disabled)
    Active: active (running) since Sat 2025-08-02 07:42:02 UTC; 2h 45min ago
    Invocation: 0561477780494830b5b1295d4f6bc84e
    Main PID: 409 (python3)
    Tasks: 2 (limit: 16343)
    Memory: 47.9M (peak: 52.3M)
    CPU: 724ms
    CGroup: /system.slice/waydroid-container.service
    └─409 python3 /usr/bin/waydroid -w container start

    Aug 02 10:14:04 archlinux waydroid[409]: [10:14:04] waiting 10 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:05 archlinux waydroid[409]: [10:14:05] waiting 9 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:06 archlinux waydroid[409]: [10:14:06] waiting 8 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:07 archlinux waydroid[409]: [10:14:07] waiting 7 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:08 archlinux waydroid[409]: [10:14:08] waiting 6 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:09 archlinux waydroid[409]: [10:14:09] waiting 5 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:10 archlinux waydroid[409]: [10:14:10] waiting 4 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:11 archlinux waydroid[409]: [10:14:11] waiting 3 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:12 archlinux waydroid[409]: [10:14:12] waiting 2 seconds for container to start…
    Aug 02 10:14:13 archlinux waydroid[409]: [10:14:13] waiting 1 seconds for container to start…

    Reply
    • Nampoina Razafindralaisa

      Andramo en ligne de commande hoe : waydroid show-full-ui
      Jerena sao misy erreur avoakany

    • Toni

      Zaho koa tojo an’ito olana ito

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur Web ny mpanoratra. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!