Tsy mety piloté amin’ny linux ilay clavier Fantech HE68 Pro

by Nampoina Razafindralaisa | Alakamisy 21 May 2026 | Dev

Tsy hoe tsy madeha akory ilay clavier, fa toa latsadanja amin'ny mpampiasa windows ianao sur Linux rehefa mampiasa ity clavier ity.

Rehefa hanao personnalisation mantsy dia miditra amin'ilay application Web-Driver, izany hoe tsy installé-na ny azy ilay app de personnalisation fa sokafana amin'ny navigateur. Tsy mahita ilay clavier anefa izy io sur Linux.

Solution avy hatrany

Mba hifankahita ilay clavier sy ilay web-app dia misy règles UDEV kely mila configuré-na :

Dingana voalohany

Mila alaina ny ID an'ilay clavier :

Bash
$ lsusb
# Mivoaka eto daholo ny peripherique sur bus USB rehetra fa tadiavo ao ilay clavier anao
Bus 001 Device 009: ID 0c45:ffff Microdia Fantech Atom HE68 PRO
# Misy 2 ilay ID -> idVendor:idProduct
Bash

Dingana faharoa

Soratana ilay regles udev

Plaintext
/etc/udev/rules.d/70-keyboard.rules

SUBSYSTEM=="hidraw", ATTRS{idVendor}=="0c45", ATTRS{idProduct}=="ffff", TAG+="uaccess"
SUBSYSTEM=="usb", ATTRS{idVendor}=="0c45", ATTRS{idProduct}=="ffff", TAG+="uaccess"
Plaintext

Bash
# Rehefa avy eo Reboot, na
$ sudo udevadm control --reload-rules && sudo udevadm trigger
Bash

Tokony hifankahita amin'izay ny clavier anao sy ilay web-app manomboka eto.

Mifidifidy navigateur koa izy io, Firefox ny ahy tsy mandeha fa chrome mandeha tsara.

Connexion filaire, dongle 2,4Ghz, bluetooth

Samy manana ny idProducts ireto mode de connexion telo ireto, ka samy anaovy règle udev avokoa izay ampiasainao. Ny ahy zao dongle sy filaire ihany no ilaiko, samy hitan'ilay app daholo.

Source : https://www.reddit.com/r/linux_gaming/comments/1hxh65t/configuring_keyboard_with_web_driver/

0 Comments

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur Web ny mpanoratra. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!