Resabe tato-ato zay fa hoe tsy afaka manao téléchargement raha mampiasa internet vokarin’ny Starlink. Lainga izany, ary misy hevitra diso mivezivezy momba io resaka io.
Inona no tsy azo atao amin’ny Starlink?
Noho ny lalàna mifehy ny olombelona maneran-tany dia tsy azo atao ny mangalatra. Izay no tsy azo atao amin’ny Starlink. Tafiditra ao anatin’izany ny :
- Maka film pirate
- Maka jeux pirate
- Maka hira pirate
- Maka zavatra pirate eh!!
Maka torrent?
Lasa mivadika ny hevitra hoe tsy mahazo mampiasa torrent fa tonga dia bloqué! TSIA. Tsy ny torrent no tsy azo atao fa matetika torrent no mora ho an’ny mpanjifa hangalana zavatra piraty.
Izany hoe, na IDM ampiasainao, na torrent ampiasainao, na navigateur ihany no ampiasainao hangalana zavatra piraty dia mety ho sazin’ny Starlink ianao satria mandika lalàna.
Fa dia nahoana loatra? Sao tsy rariny izany?
Tsotra! Tsy te hijoboka miaraka aminao mandika lalàna izy, izay fotsiny no antony tsy amelàny anao hanao izany. Izy koa anefa tsy hanelingelina anao raha tsy mahazo fitoriana. Fa raha mahazo fitoriana kosa izy dia gagazo!
Inona izany no fika?
Mila miafina isika rehefa hangalatra ihany, ary na Starlink ary manoro hevitra anao hoe mba ataovy any amin’ny mangingina eh!
Mampiasa VPN no vaha olana. Mety handany vola kely ianao amin’ilay VPN, fa mahaleo ny sarany ny vidiny. Aleo mba very tsikalakalambola toy izay BAN ka vao maika maty roa tapitrisa.

0 Comments