Technophiles

sur mety-aby.com

Tongasoa eto Madagasikara ny Starlink

by | Sabotsy 10 Aogositra 2024 | Internet | 0 comments

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy i Elon Musk fa azo ampiasaina eto madagasikara ny Starlink. Nitombo iray izany ny FAI azon’ny malagasy hisafidianana.

Inona moa ilay Starlink?

Ny Starlink dia fournisseur d’accès internet par satellite an’ny orinasa SpaceX. Nanomboka tamin’ny 2019 ny Starlink no nandefa zana-bolana andrana, ka efa 4700 izao ny zana-bolana miasa hizarana internet. Manana mpanjifa roa tapitrisa eo izao ny Starlink, amina firenena maro samihafa, tafiditra ao koa izao i Madagasikara.

Inona ny tombotsoa entiny?

Ny tombontsoa mazava voalohany entiny dia ny fanomezana internet ho an’ireo olona lavitra tanan-dehibe, ratsiratsy réseau ka manjary tsy afaka misitraka ny tombotsoan’ny internet noho ny toerana misy azy. Satria mandeha par satellite ilay connexion ka mora lavitra kokoa ny fifandraisana noho izany.

Ny faharoa kosa dia ny fanomezan-toky fa haut débit (25 mégabits/s) ilay internet azo fa tsy zara raha mandeha, ary faible latence ( 20ms – 40ms ). Hany ka afaka misitaka tsara ny internet ny mpanjifa na dia lavitra ny tanan-dehibe aza.

Inona kosa no mety ho ratsy aminy mihoatra ny fibre optique na ny réseau téléphonique

Ny voalohany dia ny fametrahana ilay antenne satellite ao aminao. Mila toerana malalaka tsy takotakona trano, hazo na zavatra afa izy fa mila malalaka tsara ahazoany mifandray amin’ny zana-bolana. Mazava ho azy fa tsy maintsy any ivelany izy no atao fa tsy ao anaty trano.

Ny faharoa dia ny toetry ny andro. Mety hisy sembatsembana eo amin’ny fifandraisana rehefa ratsy be ny andro, fa manome toky nefa ny Starlink fa tsy ho ratsy manao ahoana ny débit.

Aiza no antonona raha mila fanazavana fanampiny?

Raha liana ianao, mbola tsy manana boutique afaka anantonana aloha ny Starlink eto madagasikara amin’izao. Ao amin’ny site web https://www.starlink.com/mg kosa ianao no afaka mijery, manontany ary mividy mivantana ny fitaovana ilaina sy manao abonnement.

Azonao atao tsara ny mitsidika ny https://support.starlink.com/ raha misy fanontaniana manitikitika anao, ary misy olona faka miresaka mivantana aminao ao raha mila fanazavana fanampiny.

Vaovao fanampiny!

22 Jolay 2024

Nivoka tamin’ny fomba ofisialy fa ny Mass’in sy Jumbo Score Ankorondrano no mivarotra ofisialy ny kit Starlink. Voalaza fa ny 29 Jolay raha tara indrindra dia azo jifaina eny amin’ireo magazay ireo ny kit Starlink.

10 Aogositra 2024

Tonga soa etsy amin’ny Jumbo Score Talatamaty ireo Kit Antenne Starlink, ary efa maro ireo nanjifa izany.

0 Comments

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur WordPress aho ary misehatra amin'ny web amin'ny ankapobeany. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!