I Starlink no nametraka voalohany ny accès internet par satellite sur orbite terrestre basse, fa tsy orbite stationnaire.
Inona moa no dikan’izany
Ny zana-bolana ampiasain’ny Starlink dia eny amin’ny habakabaka miala 300 km hatramin’ny 700 km miala ny tany. Izay ilay antsoina hoe orbite basse.
Miala 35000 Km ny tany kosa ny zana-bolana voalaza fa en orbite géostationnaire izay efa misy mampiasa ihany koa amin’ny fizarana internet ho an’ny mpanjifa.
Inona no fiantraikany amin’ny débit sy ny latence?
Raha ny débit no jerena, dia tsy mifankaiza izy roa. Miankina amin’ny tanjaky ny antenne ny débit ary miankina amin’ny tolotry ny FAI.
Ny latence kosa dia misy elanelana be, satria lavitra loatra ilay sur orbite stationnaire. Izay indrindra moa no antony nifidianan’ny Starlink ny orbite basse.
Raha oharina izy roa dia mahery ny 600ms ny latence ho any orbite géostationnaire, ary ambanin’ny 60ms kosa raha ho an’ny orbite basse.
Fa ahoana tokoa moa no ahazoana internet avy amin’ny zana-bolana?
Raha jerena akaiky ny internet par satellite dia sahala amin’ny réseau terrestre ihany :
- Mandalo ny serveur ny internet
- Alefan’ny serveur any amin’ny zana-bolana
- Alefan’ny zana-bolana any amin’ny mpanjifa
Ny cable na ny réseau téléphonique izany eto no soloina fifandraisana par antenne satellite.

Fehiny
Safidy ny an’ny Starlink no hanolotra internet par satellite sur orbite basse, ary izay indrindra no tanjony : hanome internet ho an’ny olona sarotra accès, haut débit ary faible latence. Maro ny safidy raha ny FAI ary misy manome tolotra internet par satellite koa eto Madagasikara fa sur orbite géostationnaire.

0 Comments