Ndriii, Skype : Veloma farany amin’ny Mey 2025

by | Talata 11 Martsa 2025 | Internet

Tadidinao ve ? Nampiasa Skype foana isika rehefa te hiantso video ? Ireo resaka tsy misy dikany miaraka amin’ny fianakaviana, na ilay “Allô, allô, mihitsoka ilay sary” mahazatra ?

Fa indrisy, tapitra hatreo ny tantara. Hovonoin’i Microsoft i Skype amin’ny 5 Mey 2025.

Fa maninona no hofoanana i Skype ?

Skype no tompon’ny tanana tamin’ny taona 2003, vao izy nivoaka. Fa rehefa tonga ny applications hafa toa an’i WhatsApp, Zoom, Messenger, dia najavona tsikelikely i Skype.

Ny Microsoft Teams, izay noforonin’i Microsoft ihany koa, dia lasa ankafizin’ny maro kokoa amin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatry ny asa. Noho izany, tsy nahita antony hanohanana an’i Skype intsony i Microsoft.

Raha mbola mampiasa Skype aho dia ahoana ?

Aza taitra, mbola misy vahaolana :

Afaka mampiasa Microsoft Teams ianao : Ireo kaontinao, fifandraisana, ary ireo resaka rehetra dia ho afindra ho azy any amin’i Teams.

Afaka mi-télecharge ny archive anao ianao : Raha te hitahiry ireo resaka Skype rehetra nataonao ianao, dia misy safidy hahafahana manao backup.

Raha mbola manana crédit Skype ianao… aleo ampiasaina aloha fa tsy ho azo ampiasaina insony amin’ny Mey 2025 !

Teams no ho fanoloana azy

Tsy hoe ho very isika fa hanana fitaovana vaovao : Microsoft Teams. Ity dia application natokana ho an’ny fifandraisana amin’ny asa, ny fianakaviana, na ny namana. Misy :

Antso video sy audio : Mazava sy haingana kokoa.
Messages : Toy ny mahazatra.
Mifandray amin’ny Microsoft Office : Afaka mizara données amin’ny Word, Excel, sy PowerPoint amin’ny fomba tsotra.

Raha lazaina amin’ny teny tsotra : Teams no Skype vaovao.

Noho izany, amin’ny 5 Mey 2025, veloma Skype. Misaotra tamin’ny fotoana rehetra niarahana, fa Teams no handimby anao.

0 Comments

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur Web ny mpanoratra. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!