Mizara roa ny safidy rehefa hampiasa logiciel ianao : na ianao mividy logiciel propriétaire, na mampiasa version cracké.
Misy koa anefa ny safidy fahatelo izay tsy dia be mpampiasa firy : ny logiciel open source. Hiresadresaka momba ireo isika. Inona no maha samihafa ny open source sy ny cracké, inona ny tombony avy sy ny maha ratsy azy.
Inona moa no dikan’ilay hoe logiciel open source ?
Ny logiciel open source dia programme manome malalaka ny code source ho hitan’ny olon-drehetra. Izany hoe afaka mamaky sy manova ny code daholo ny mpampiasa ilay logiciel. Samy manampy fanatsarana ireo dev sy ireo mpampiasa hampivoatra azy hatrany.
Matetika tsy misy sarany ny logiciel open source, fa misy licence izay manazava ny azo atao rehefa mampiasa, manova ary mizara ilay logiciel.
Inona indray ilay hoe crack ?
Ity indray dia logiciel tokony andoavam-bola, fa hampiasana fikafika dia lasa azo ampiasaina maimaimpoana. Tsy manara-dalana matetika ireo fikafika ampiasaina ireo, ary matetika misy virus miaraka amin’ireny crack ireny. Mazava ho azy koa fa voahitsaka tanteraka ny zon’ny mpamorona ireny logiciel ireny rehefa version cracké no ampiasaina.
Ireto ary ny tombony avy sy ny maha ratsy amin’ny andaniny sy ny ankilany :
Logiciels open source :
Tombony : Maimaimpoana, azo tsirihina avokoa ny code raha misy tiana hatsaraina, ary mandry ny saina satria manara-dalana tsara.
Ny ratsy : Matetika sarotra ampiasaina izy ireny, indrindra raha tsy dia tia kitikitika loatra.
Logiciels crackés :
Tombony : Maimaimpoana, ilay logiciel ilainao no ampiasainao nefa ianao tsy mandoa vola.
Ny ratsy : Tsy manara-dalana, matetika misy virus ka lasa manimba zavatra.
Fehiny
Mahazatra eto amintsika ilay ordinateur feno virus. Mazava fa avy amin’ny logiciel cracké ny ankamaroan’izy ireny. Matetika koa anefa sarotra ampiasaina be ilay logiciel open source, ka raha vao kamo hikitikitika dia sahirana be.
Hitantsika ary izay ny tombony sy ny maharatsy avy ny open source sy ny cracké. Ny ahy manokana open source foana no ampiasaiko, fa rehefa tena tsy afa manoatra dia mampiasa cracké ihany. ( Indrindra moa ny jeux PC )

0 Comments