Rehefa navigateur web amin'izao dia misy gestionnaire de mot de passe avokoa. Raha ho an'ny mpanoratra manokana, tsy mety amiko hoe any anaty compte Google / Firefox / Vivaldi sns any ny mot de passe-ko rehetra. Tsy misy ratsy amin'izany fa ny ahy aloha aleoko KeePass, gestionnaire de mot de passe en local.
Base de données KeePass
Base de données KDBX no miasa eto hampirimana ny mot de passe. Fichier en local izy io, extension .kdbx, crypté miaraka amina passphrase. Eto no mila ireo clients hanokafana ilay base de donnees :
- KeePassXC : Windows, Linux, MacOS
- KeePassDX : Android
Misy be dia be ireo clients moa fa ireo no ampiasain'ny mpanoratra.

Fonctionnalités
Mazava ho azy, mitahiry ny login sy mot de passe fa maro be koa ireo fonctionnalités azo ampiasaina ao anaty KeePassXC :
- Générateur de mot de passe paramétrable be
- Intégration navigateur via extension
- Agent SSH
- Authenticator TOTP
- PassKey
Synchronisation
Eto no mety tsy ahafoizanao ireo navigateur, satria fichier local ilay izy, tsy synchronisé isaky ny appareil anao rehetra.
Syncthing no ampiasaiko manao ny synchronisation entre ordinateurs sy téléphones. Mila configuration manuel kely fa mandry ny saiko tsy any antanan'olona any ny accès-ko rehetra.
0 commentaire