Namorona alliance antsoina hoe x86 Ecosystem Advisory Group ireo orin’asa mpifaninana lehibe Intel sy AMD. Ny tanjona dia hanatsara ny architecture x86 satria mandondona be ny ARM izay mitombo hery hatrany.
Ny tanjon’ny x86 Advisory Group
Ny x86 Ecosystem Advisory Group dia mitsinjo ny fivoaran’ny x86, satria samy mamokatra ny processeur ny i Intel sy AMD, fa ny architecture kosa dia hiraisana. Mila miray loha noho izany amin’izay tokony havaozina na dia mpifaninana aza. Ary mitsinjo koa izy ireo ny hanamora ny architecture x86 mba hanamorana ny fifandraisan’ireo composants rehetra ao anaty ordinateur.
Tsy izy roa ihany anefa fa miara miasa koa izy amin’ireo andrarezin’ny tech, ohatra Dell, Google Cloud, HP inc, Microsoft et Red Hat sns.
Mila toherina ny firoboroboan’ny architecture ARM
ARM continue de gagner du terrain en raison de son efficacité énergétique et de son adoption dans des appareils mobiles et des systèmes embarqués. Avec le x86 Ecosystem Advisory Group, Intel et AMD cherchent à améliorer l’efficacité par watt et les performances globales de leurs puces. En offrant des solutions plus modulaires, ils espèrent étendre l’adoption de x86 dans les serveurs, ordinateurs portables, et appareils embarqués où ARM progresse.
Mahazo vahana be ny ARM amin’izao noho ny fampiasana azy amin’ny smartphones sy tablettes rehetra, ary koa ireo mini ordinateurs ary indrindra ny famokaran’i Apple ny puce M1/M2 sns. Ny tena tombony ho an’ny ARM dia ny tsy fandaniana énergie, ary noporofoin’ny Apple fa mahavita be ny ARM nefa tsy mandany jiro. Eo no tena mila ketrehin’ny x86 izany, mba hanome tanjaka toy ny mahazatra nefa kosa tsy mandany énergie betsaka.
Fehiny
Tsy voalohany izao no niray hina ireto mpifaninana matanjaka ireto. Efa niara niasa matetika izy ireo, anisan’izany ny famokarana ireo standard PCIe, USB ary ACPI izay raikitra tanteraka eo amin’ny teknolojia fampiasantsika andavan’andro. Hita arak’izany fa mahavita zavatra izy ireo rehefa hiray loha, ary hanao zavatra izy mba hijanonan’ny x86 ho loha laharana hatrany fa tsy ho songonan’ny ARM ka ho faty tsy hisy hampiasa intsony.
0 Comments