Installation Linux

by | Alatsinainy 16 Jona 2025 | Console retro, Ketrika

Tsy dia ho azonao loatra ny resaka mandeha eto raha tsy namaky ny fampidirana (Ordi portable maty écran avadika console retro) ianao.

Fa maninona no Linux

Averiko eto ihany ilay config hampahazava kokoa ity safidy ity.

Amin’ilay Windows 7 moa ity ordi ity dia efa sarotsarotra ampiasaina, mi-RAM rehefa hijerena YouTube sy hanaovana Facebook.

Ny anton’izay : tena kely ilay RAM ary Windows 7 fotsiny dia efa 60% ny RAM miasa.

ProcesseurIntel core i3-2350M (4) @ 2.300GHz
RAM4GB
Carte graphiqueIntel HD Graphics 2500
Disque durHDD 512GB Prudence avec bad sector

Mazava ho azy fa tsy azo atao izany ny Windows hafa ambony, 7 aza efa sahirana. Mila misafidy distribution Linux izany ahafahana milalao aminy.

Debian sa Arch Linux

Batocera Linux

Rehefa nanao recherche moa dia ity distribution matsiro kely ity no hita fa tena mety. Tsy mila install, manao clé bootable dia lasa izao. Saingy tsy nety ni-boot mihitsy ilay clé. Ilay machine moa tsy misy écran, ny HDMI tsy mandeha raha tsy initialisé ny système ka tsy hay izay erreur avoakany ao.

Fedora

Fedora moa no système fampiasako ary tena maha tamana ahy, saingy rehefa natao ny USB bootable dia tsy mahita afa tsy Legacy ilay machine. Fedora moa tena maoderina loatra ka tsy manaiky raha tsy UEFI. Tsara marihina eto fa misokatra ny live boot fa tsy hitany ny HDD.

Saika Arch Linux indray no andramana, fa inona moa no tanjona? Hilalao jeux sa hanamboatra machine? dia tapa-kevitra fa Debian no ho atao. Fa maninona?

Debian ✅

TombonyLesoka
Stable, tsy mila be kitikitika lava fa tonga dia milalaoAntitra be ny paquet miaraka aminy
Maivana, azo safidiana amboalohany izay paquet installé-na fa tsy toy ny zanany
Azo installé-na amin’ny machine tsy misy UEFI

Arch Linux

TombonyLesoka
Maivana, azo safidiana amboalohany izay paquet installé-naRolling release, nampijaly ahy rehefa nila nanenjika asa aho nefa nipoaka ilay Manjaro tsy vanona 😤
Azo installé-na amin’ny machine tsy misy UEFI
AUR

Desktop Environment

Mazava ho azy moa fa izay maivana indrindra no hofidiana eto satria dia tena maivana ilay machine. Noho izany dia tsy misy DE. Tonga dia Debian degany be anaty TTY.

Nefa tsy mety

Ny theories mo mandeha be, ka mieritreritra ny hamorona afo. Tsy maintsy mila xorg ihany satria galère be ny manao ilay sortie vidéo sy ny audio sy ny config manette Bluetooth… hoe andeha atao tanana 😂 Ny farany nasiana XFCE ihany.

Gnome

Rehefa tao arina kely moa dia nosoloina Gnome ilay DE. Fa maninona ilay tsy XFCE? Satria tsy tiako ilay totozy 😝

Dia zakan’io koa ve izany? Misy upgrade kely natao ao aoriana kely ao fa mandehana vakio.

Manao ahoana ny Perf?

Tsy hananako eto intsony moa ny données tamin’izany fa tadidiko fotsiny hoe 1GB eo ho eo ny RAM miasa raha ny système miaraka amin’ny DE no misokatra. Miraikidraikitra kely ihany ny utilisation bureautique noho ilay HDD, izay sady efa antitra no efa misy bad sector ihany koa.

Émulateur

Ny émulateur indray no manaraka ary, araho ny lien. Retroarch no émulateur miasa ao.

0 Comments

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur Web ny mpanoratra. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!