Inona moa ilay VPN, ahoana no fampiasana azy?

by | Alarobia 9 Oktobra 2024 | Internet

Hita foana etsy sy eroa hoe mila mampiasa VPN. Tena ilaina izy io, indrindra moa rehefa manao zavatra tsy azo atao loatra!

Inona moa no asan’ilay VPN ?

Raha tsorina dia mandefa ny trafic internet-nao mankany amin’ny serveur hafa ilay VPN izay vao maka ny donnée any amin’ny internet ary mamerina ireo données ireo any aminao manaraka io lalana io ihany. Takona noho izany ny adresse IP anao, ary crypté ihany koa ireo données rehetra mandalo io lalana io.

Inona ny tombotsoa azo ?

Miafina kokoa izay ataonao amin’ny internet miaraka amin’ny VPN satria tsy hitan’ny afa ny adresse IP-nao, ary chiffré avokoa ny données rehetra mivezivezy mankao aminao. Milamina kokoa ianao arak’izany raha manao zavatra tsy azo atao, satria na ny FAI anao aza tsy mahalala izay données mivezivezy izay noho ilay cryptage.

Inona kosa ireo lesoka ?

Satria mandalo serveur an’ilay VPN izay ataonao, ary zareo ihany koa no manao ilay cryptage dia mety ho fantany ny zavatra ataonao ao. Tsara noho izany ny mampiasa VPN tena azo itokisana sao ratsy loha ihany koa ilay VPN ampiasainao.

Mihena ihany koa ny vitesse ny internet rehefa mampiasa VPN satria lava kokoa ny lalana alehan’ny données. Ary mandalo opération de cryptage sy décryptage maro izy amin’io lalana io.

Ahoana no fampiasana VPN ?

Mora kely matetika ny fampiasana VPN. Ny ankamaroan’izy ireo dia manome application tsotra, na Windows io na Android. Alaina fotsiny ilay application dia alefa, ary matetika tonga dia mandeha avy hatrany.

VPN vitsy azo ampiasaina tsara

  • Proton VPN : misy version gratuit
  • NordVPN : satisfait ou remboursé 30 andro
  • CyberGhost VPN : Satisfait ou remboursé 45 andro

0 Comments

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur Web ny mpanoratra. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!