C:\Users\Nampoina\Projects> git clone git@github.com:NampoinaRal/private-repo.git
git@github.com: Permission denied (publickey).
fatal: Could not read from remote repository.
Please make sure you have the correct access rights
and the repository exists.BAT (Batchfile)fatal: Could not read from remote repository
Io no erreur azo rehefa manao clone repository privée ianao nefa tsy manana permission. Tsy maintsy mila clé SSH izao rehefa hiresaka ny git ao am ordi anao sy GitHub, raha private repo ny resaka. Raha repo public kosa mety foana.
Inona avy ireo tokony hanana
- clé ssh ao anaty ordi, configuré miaraka amin’ny passphrase
- apetraka any amin’ny compte GitHub ilay clé publique
Fa maninona moa no tsy maintsy mila an’izany ?
Rehefa miresaka repository privée ao amin’ny GitHub, dia tsy toy ny repository public intsony izy io: voaaro, tsy azon’ny rehetra idirana, ary mila manamarina (authentifier) hoe iza ianao vao afaka mahazo miditra.
Ok, fa inona no ataon’ilay clé SSH?
Ny SSH key dia toy ny lakile manokana manokatra varavarana mankany amin’ilay repository. Raha tsy manana lakile ianao dia mihidy any antokotany: afaka mahita ilay trano (ohatra hoe ao amin’ny GitHub), fa tsy afaka miditra ao anatiny.
Raha mbola tsy mazava tsara dia ity misy ohatra:
Ao an-tranon’ny namana ianao (i GitHub). Raha “public” ilay trano dia afaka miditra malalaka ianao, mitsidika, mijery, ary maka izay tianao (clone).
Fa raha “private” ilay trano? Tsy afaka miditra fotsiny ianao, mila manaporofo fa nahazo alalana. Amin’ny GitHub, ilay porofo io no atao hoe SSH key.
Inona no ataony?
- Mametraka fanalahidy manokana (public + private key) amin’ny machine-nao sy amin’ny kaontinao GitHub ianao.
- Isaky ny mi-clone repository ianao amin’ny alalan’ny SSH, dia manamarina i GitHub hoe “ah ok ity fa manana ilay clé! Azo atokisana!”.
- Dia azo atao ny clone, push, pull… satria azo antoka ilay fifandraisana.
Fa maninona tsy ampy fotsiny ny fidirana amin’ny alalan’ny username sy password?
- Tsy azo antoka loatra ny mampiditra username/password foana amin’ny terminal.
- Tsy azo antoka tsotra izao ny username/password eh.
- Ny SSH key no vahaolana matotra, azo antoka, ary tsy mila miditra password foana ianao rehefa miasa.
Ahoana ny manao clé SSH ?
- Windows
- Linux
- Mac
PS C:\Users\Nampoina> ssh-keygen
REM Ampidirina eto ny dossier tokony asina ilay fichier
REM Par defaut io anaty parenthese io (Aza be zesta fa ny an'ny olona avela par defaut ao daholo)
Enter file in which to save the key (C:\Users\Nampoina/.ssh/id_ed25519):
REM Dia aza adaladala koa fa asio passphrase foana
REM Tsy manoratra mihitsy izy eto fa manao no echo
Enter passphrase (empty for no passphrase):
Enter same passphrase again:BAT (Batchfile)nampoina@PC-tsotsotra:~$ ssh-keygen
# Ampidirina eto ny dossier tokony asina ilay fichier
# Par defaut io anaty parenthese io (Aza be zesta fa ny an'ny olona avela par defaut ao daholo)
Enter file in which to save the key (/home/nampoina/.ssh/id_ed25519):
# Dia aza adaladala koa fa asio passphrase foana
# Tsy manoratra mihitsy izy eto fa manao no echo
Enter passphrase (empty for no passphrase):
Enter same passphrase again:BashAzafady eh, tsy manana Mac ny mpanoratra.
Ahoana indray no mampiditra azy ao amin’ny GitHub
- Sokafy ny compte GitHub-nao
- Midira ao anaty settings
- Avy eo ao anaty SSH and GPG keys
- Dia manao New SSH key
- Omena anarana ilay izy eo amin’ny Title (izay tianao atao)
- Key type : Authentication key
- Key : ilay contenu an’ny is_ed25519.pub
- Windows
- Linux
- Mac
PS C:\Users\Nampoina> cat .\.ssh\id_ed25519.pub
REM Le eo ambany rehetra lava be eo copiéna any daholo
ssh-ed25519 blablablaBAT (Batchfile)nampoina@PC-tsotsotra:~$ cat .ssh/id_ed25519.pub
# Le eo ambany rehetra lava be eo copiéna any daholo
ssh-ed25519 blablablaBashMbola tsy manana Mac foana.
Fehiny
Raha te-hiasa amin’ny repository privée amin’ny GitHub ianao, dia tsy maintsy manana SSH key napetraka tsara amin’ny kaontinao. Izy no taratasy maha-azo itokiana anao amin’i GitHub. Raha tsy izany dia… “403 Forbidden” no valiny!
0 Comments