Mety tsy de ho azonao loatra ny resaka mandeha eto raha tsy namaky ny fampidirana ianao.
Ny tanjona amin’izy ity moa dia ny hilalao ireo jeux retro, na hoe jeux “polysta” hoy ny ankamaroan’ny gasy. Fa tsy izay ihany, efa azo lazaina retro ihany koa hatramin’ny PS2 satria efa antitra ihany ireny console ireny.
Retroarch
Inona moa ny émulateur? Raha faran’izay tsorina dia console ao anaty ordinateur anao ny émulateur. Asiana émulateur PS1 zany ao anaty ordinateur anao dia afaka milalao jeux PS1 ianao.
Retroarch no safidy natao teto, ireto avy no antony :
Multi-core : Afaka manao emulation ana machine be dia be izy, ao anaty front end iray
Ny hoe core moa dia ilay moteur mampandeha ilay jeux retro. Misy core manomboka any amin’ny arcade hatreo amin’ny PS2 ao anaty Retroarch. Ireto avy no lalaovin’ny mpanoratra :
| Console | Cœur |
|---|---|
| Arcade | FB Neo |
| Game boy / color | TGB Dual |
| Game boy advance | mGBA |
| Game Gear | Genesis Plus GX |
| Megadrive | Genesis Plus GX |
| Master System | Genesis Plus GX |
| Nintendo DS | DeSmuME |
| Nintendo 64 | ParaLLEl N64 |
| NES | Mesen |
| Super NES | Snes9x |
| PS1 | SwanStation |
| PSP | PPSSPP |

Retroachievements : efa intégré
Inona moa ilay hoe retroachievements? Succès izy io, fa ho an’ny jeux retro.
Tena tiako ity fonctionnalité ity satria manome fafiny kokoa ny fiverenana milalao ireo jeux taloha. API externe moa izy ity, hitanao ao amin’ny retroachievements.org. Mamorona compte ianao dia connecté-na amin’ny Retroarch, dia lasa izao mi-débloquer succès amin’ireo jeux filalaonao taloha.
Multi plateforme : Mandeha sur PC, Android, iPhone, Mac, Steam ary console de salon
Tena miasa amiko ity cross plateforme ity, satria sady milalao sur Windows aho, no milalao sur Linux ary milalao sur Android.
Ny jeux sy ny sauvegarde synchronisé entre machine miaraka amin’ny Syncthing.
Ny compte retroachievements moa externe ka tsy mila miasa loha fa synchronisé foana.

PCSX2
Manana cœur ho an’ny PS2 ko moa i Retroarch, antsoina hoe LRPS2, saingy tsy nety nandeha mihitsy izy ity tamin’ilay console. Tamin’ny ordinateur afa kosa nefa nandeha fa tsy maharaka an’i PCSX2 mihitsy ny performance.
Mbola ho avy moa ny lahatsoratra manokana momba ireo jeux PS2, mandra-mpiandry aloha mazotoa milalao ireo jeux taloha miaraka amin’ny succès maro isan-karazany.
0 Comments