Tsara ho fantatra rehefa miresaka processeur isika fa misy karazany izy ireny. Misy ny manaraka ny architecture ARM, ary misy x86. Samy manana ny tombony ireo architecture ireo, ary samy manana ny lesoka ihany koa. Ndao ary ho hojerentsika lalindalina hoe inona no maha samy hafa ireo architecture ana processeur ireo.
1. Tantaran’ireo Architectures
- ARM (Advanced RISC Machines) : Tany amin’ny taona 1980 no nivoaka, ary ny tanjona dia hanao processeur tsotra sy tsy mandany energies ho an’ireo appareil kely. Amin’izao mia dia lasa mampiasa azy avokoa ny smartphones, tablettes ary ny PC sy ny serveur koa ary.
- x86 : Navoakan’ny Intel tamin’ny 1978, ity architecture ity no fampiasa amin’ny PC sy ny serveur ary izay mihitsy no tanjony satria manana tanjaka ambony izy.
2. Manao ahoana ny conception
- Ny ARM dia systèmes sur puce (SoC) ka miaraka ao anaty puce iray avokoa ny CPU, GPU, mémoire RAM sy izay ilainy afa.
- Ny x86 kosa dia mila chipsets mitokana matetika mampifandray azy amin’ny composant afa, satria mitokana avokoa ny CPU, GPU, RAM sns…
3. Fandaniana Énergie
- Ny tena tombony ARM dia ny tsy fandaniana énergie, hany ka tena mety tsara mihitsy izy ho an’ny appareil mobiles. Afaka miasa pleine puissance izy na dia batterie fotsiny aza no manosika azy.
- Ny x86 kosa dia matanjaka kokoa, nefa mihinana énergie be koa. Raha puissance no ilaina tsy miraharaha izay énergie laniny dia ny x86 no mahatafavoaka tsara an’izay.
4. Performances
- Tsy mandany courant ny ARM, fa afaka manome performance enjana koa anefa izy na izany aza. Voa-porofon’ny Apple izany miaraka amin’ireo puce M izay architecture ARM no mitondra azy. Tsy maharesy ireo processeur x86 tena mafy kosa anefa izy na izany aza raha performance no jerena.
- Tena mafy ny x86 raha performance no ilaina, ohatra any anaty gaming, rendu graphique, modélisation 3D, applications industrielles sns… Efa nidina be ny consommation d’énergie an’ireo processeur x86 raha mihoatra ny taloha, fa mbola resin’ny ARM foana aloha izy fa mihinana énergie be loatra.
5. Écosystème sy Compatibilité Logicielle
- Raha ny mobile no jerena dia manjaka tokana ny ARM, ary tsy misy olana ny compatibilité logiciel. Amin’ny PC kosa dia mbola tena maro ireo logiciel tsy compatible ARM. Ary tsy maintsy version ARM no alainao raha hampiasa ilay logiciel. Efa miha mivoatra kosa anefa izany satria efa maro izao ireo ordinateur Windows on ARM ary eo koa ireo Macs M1/M2 an’i Apple.
- Ny x86 kosa dia efa amam-polo taona maro no efa teo, ka rehefa manao logiciel ny mpamokatra ho an’ny PC dia ho an’ny x86 aloha. Mazava ho azy fa lasa aloha foana ny développement ho an’ny x86, ary manaraka ny ARM avy eo. Mety efa hitsimbadika anefa izany satria miroborobo be ny ARM, ary na ny serveur cloud ary dia efa misy mampiasa ARM.
6. Ireo fitaovana fahita matetika
- ARM :
- Smartphones, tablettes, ary ny objets connectés (IoT)
- Chromebooks, mini PC sy ordinateurs portables tsy mihinana batterie mihitsy
- Périphériques portables rehetra mila processeur
- x86 :
- PC de bureau sy ordinateurs portables matanjaka
- PC gameur sy ny PC fiasana fanaovana multimédia
- Serveurs matanjaka mila manao calcul lehibe
8. Ny hoavy
Efa miroborobo be izao ny ARM eo amin’ny tontolon’ny ordinateur, indrindra ireo novokarin’ny Apple, ary raha resaka bureautique fotsiny dia tsy misy tsy vitan’ny ARM intsony izao. Ny zavatra mila tanjaka be toy ny gaming sisa no mila x86. Efa miketriketrika kosa nefa Intel sy AMD hanatsara ny x86 ka hiady ny lalao mandritry ny taona ho avy.

0 Comments