Rehefa mampiasa clé SSH ianao dia mankaleo be ilay manoratra ilay passphrase isaky ny manao connexion. Azo atao tsara no mampiasa KeepassXC, tsy mila manoratra passphrase intsony ianao fa rehefa misy mangataka dia izy no manome ilay passphrase dia vita ny sokola.
Araky ny ao amin'ny doc moa, tsy misy agent SSH miaraka aminy fa mila manao ny agent anao manokana ianao.
Prerequis : agent SSH mandeha
Mila mijery aloha isika hoe efa misy agent SSH velona ve ao amin'ilay machine :
ssh-add -L
# Karazany 3 no valiny mety ho azo :
# 1- Could not open a connection to your authentication agent. Tsy misy agent mandeha amin'ilay machine.
# 2- The agent has no identities. Mandeha ilay agent, fa tsy misy clé lalaoviny ao.
# 3- Liste ana cle publique ssh efa ao anatin'ilay agent.
echo "$SSH_AUTH_SOCK"
# Raha 1 ny valiny teo aloha, tsy misy valeur ity variable ity.
# Ankoatr'izay dia efa misy chemin an'ilay agent ao.Bash1- Raha mbola tsy misy agent mandeha ao, mila mamorona.
Ny tanjona :
- mandefa agent SSH miaraka amin'ilay commande ssh-agent
- mameno ilay variable SSH_AUTH_SOCK amin'ilay adiresin'ilay agent mba ho fantratr'ireo applications rehetra hoe ity ilay agent miasa
Betsaka ny fomba ahazoana manao ireo : autostart, bashrc, fichier de configuration hyprland sns. Fa ny mpanoratra moa be zesta dia aleo atao service systemd.
Ity no description an'ilay service :
[Unit]
Description=SSH authentication agent
[Service]
Type=simple
# -D obligatoire raha systemd, %t mitovy amin'ny ${XDG_RUNTIME_DIR} ho an'ny systemd
ExecStart=/usr/bin/ssh-agent -D -a %t/ssh-agent.socket
[Install]
WantedBy=default.targetINIVita io dia omentsika valeur ilay variable SSH_AUTH_SOCK. Azonao atao any amin'ny izay tianao foana hoy aho, fa ny ahy rehefa service systemd ihany dia ataoko amin'ny enviromnent.d.
SSH_AUTH_SOCK=${XDG_RUNTIME_DIR}/ssh-agent.socketINIVita izay dia alefa ilay service :
systemctl --user enable --now ssh-agent.serviceBash2- Mandeha ilay agent izao, fa tsy misy cle lalaoviny ao.
Efa mandeha ary ilay agent, miditra KeePassXC indray isika izany.
Tanjona :
- Sokafian'i KeePassXC ilay cle SSH amin;ny alalan'ny passphrase
- Manao resolution automatique izy rehefa misy mangataka identité
Marihiko fa ilay doc en aglais ihany no ho averiko eto.
Par defaut dia desactivé ilay gestion SSH ao anaty KeePassXC. Activation :
- Miditra ao anaty reglage ianao, avy eo SSH Agent
- Coché-na ilay case "Activer l'integration de l'agent SSH"
- Avy eo OK

Rehefa sauvegardé ilay config dia mahazo message ohatr'ity ianao ao anatin'io reglage io :

Manaraka, ampidirina ao anaty keepass ilay clé privée anao.
- Manao nouvelle entrée
- Omeo anarana mba tsy ho very
- Ampidiro eo amin'ny champ mot de passe ilay passphrase manokatra ilay clé SSH

Manaraka, ampidiro ho fichier joint ao amin'ny reglage "Avancée" ilay clé privée anao :

Vita izay dia safidiana ilay fichier ao anaty reglage "Agent SSH" :

Misy reglage maromaro ireo ohatra hoe "Ajouter la clé si la base de données est deverouillé", fa azonao atao ihany koa ny mampiditra manuellement anlilay clé ao anaty agent ssh rehefa ilaina :

3- Efa misy agent SSH mandeha ao, sady efa misy clé miasa
Raha efa mampiasa gestionnaire ianao, ohatra Kwallet na gnome keyring sy seahorse, ka te hiova KeePassXC. Tsotra, desactivé-o fotsiny ireo dia avereno hatramin'ny voalohany.
Fehiny
Betsaka ny fomban'ny kamo tsy te hanoratra passphrase lava, anisan'izany ny fampiasana an'i KeePassXC. Tsara ho marihina fa efa samy manana ny azy avokoa ireo DE lehibe, ary tonga dia mora ampiasaina kokoa, fa ho an'ireo tia kotrokotroka ihany ity lahatsoratra ity.
0 commentaire