Navadika Archlinux ilay console retro

by Nampoina Razafindralaisa | Alakamisy 21 May 2026 | Console retro, Ketrika, Linux

Projet kely ampiasaina ato an-trano izy ity, havaozina kely ilay Ordi portable maty écran avadika console retro.

Config nampiakatra ram kely

Marque sy modèleDell Inspiron N4110
ProcesseurIntel core i3-2350M (4) @ 2.300GHz
Architecturex86_64
RAM8GB
Carte graphiqueIntel HD Graphics 2500
Disque durHDD 512 GB, Prudence ary misy bad sector
OS originalWindows 7 32 bits

Ireo jeux nandramana, ary fantatra fa zakany

  • Arcades
  • Game boy / color / advance
  • Game Gear
  • Megadrive
  • Master System
  • Nintendo DS
  • Nintendo 64
  • NES
  • Super NES
  • PS1
  • PSP
  • PS2, miankina amin'ny jeux ny fluidité Najanona fa mijaly ilay machine kely
  • Minecraft Java, Solo sy LAN

Niala Debian lasa Arch

Fa naninona no niala Debian? Efa nia-nahay ny mpanoratra 😝. Debian no safidy taloha satria tsy tia andany andro amin'ny maintenance systeme.

Miakatra ihany koa ny ambition a'ity projet ity ka tsy hampiasa DE intsony fa vao velomina tonga dia Retroarch avy hatrany no misokatra.

Nialany noho izany Debian, satria Arch no mora ketrehina kokoa ary tena mora be lavitra ny mamaky Arch wiki noho ny docs Debian.

Inona ny ketrika

Tsotra ilay ketrika :

Plaintext
Tonga eo amin'ny tty1
  ⤷ Autologin, amin'izay tsy mampiditra mot de passe
     ⤷ startx, manokatra Xorg andefasana ilay app graphique
        ⤷ openbox, gestionnaire de fenetre 
           ⤷ Retroarch en plein ecran, dia manao jeux
Plaintext

Autologin eo amin'ny tty1

agetty eto no miasa, io ilay app mangataka login eo amin'ny tty iny.

Copier coller avy ao anaty wiki dia vita ny chocolat.

Plaintext
/etc/systemd/system/getty@tty1.service.d/autologin.conf

[Service]
ExecStart=
ExecStart=-/sbin/agetty --noreset --noclear --autologin username - ${TERM}
Plaintext

source : https://wiki.archlinux.org/title/Getty#Virtual_console

Configuration Xorg, mba andefasana ilay GUI

Xinit, izay ilay outil ampiasaina eto mba hanokatra session graphique vao misokatra ny session.

Bash
$ sudo pacman -S xorg-server xorg-xinit
# serveur X sy ilay Xinit hi-lancer-na azy
Bash

Zao ilay mahafinaritra amin'ny Arch, mijery wiki dia vita, tsy miasa saina be.

Source : https://wiki.archlinux.org/title/Xinit

Ity ny fichier de configuration :

Bash
#!/bin/sh
if [ -d "$xinitdir"/xinitrc.d ] ; then
	for f in "$xinitdir/xinitrc.d"/?*.sh ; do
		[ -x "$f" ] && . "$f"
	done
	unset f
fi

exec openbox-session
Bash

Openbox, gestionnaire de fenetre

Afaka ataonao izay tianao, na i3 Flux-box, fa ny ahy openbox no tiako.

Bash
# Installation openbox sy fonts
$ sudo pacman -S openbox ttf-dejavu ttf-liberation
Bash

Rehefa avy eo, configuré-na ilay autostart an'ilay retroarch

Bash
# ~/.config/openbox/autostart

retroarch &
# Mazava ho azy, efa installe retroarch dia lance-na au demarrage
Bash

Source : https://wiki.archlinux.org/title/Openbox

Alefa ilay server X vao connecté ilay compte

Ao anaty fichier .bash_profile no executer-na ilay commande satria io no fichier exécuté indray mandeha ihany a la connexion.

Bash
# ~/.bash_profile

if [ -z "$DISPLAY" ] && [ "$XDG_VTNR" -eq 1 ]; then
  exec startx
fi
Bash

Source : https://wiki.archlinux.org/title/Xinit

Fehiny

Vita izay ny configuration manahirana, ka personnalisations amin'izay sisa no ambiny. Tahak'izao ihany koa moa no ampiasain'ireo DE maro be rehefa mamelona ordinateur iny isika. Eto izy dia notsorina be mba ahazoana experience console ka afaka tonga dia mandray manette.

0 Comments

Submit a Comment

Tsy haparitaka ny mailakao Tsy maintsy fenoina izay misy *

<a href="https://mety-aby.com/author/nampoina/" target="_self">Nampoina Razafindralaisa</a>

Nampoina Razafindralaisa

Developpeur Web ny mpanoratra. Mba mizarazara ny hevitro fotsiny aho eto. Mamakia finaritra!